Monthly Archives: November 2015

Vary amin’anana, tsiro gasy , mafilotra.

Vary amin`ny anana. Sakafo Malagasy vokarin`i Neny. Sakafo malagasy tsotsotra mety amin`ny rehetra.

Vary amin’anana Ny sakafo atolotra antsika amin’ity herinandro ity dia vary amin’anana. Azontsika atao sakafo maraina ary azo atao sakafo hariva ihany koa ny vary amin’anana. Raha tianao ho fantarina ny fomba fandrahoana azy dia afaka jerenao avy hatrany ity horon-tsary ity. Misy toro-marika vitsivitsy ireto amin’ny fomba fisafidianana ny anana. 1) Raha toa ka […]

Mofo baolina

Ny sakafo ataontsika manaraka indray dia mofo baolina. Tsotra dia tsotra tokoa no fanamboarana azy ity. Ny fanala-hidiny mba ampipasapasaka ny mofonao dia ny fotoana ametrahanao azy sy andomanao azy. Ny tsara dia avela hipetraka mandritra ny alina iray ny patinao. Mety ihany koa raha avelanao miandry mandritra ny 15minitra ilay izy fa vao maika […]

Trondro sauce

Trondo sauce

Anisan’ny sakafo mampiavaka antsika Malagasy ny trondro ary manana karazany maro amin’izy io isika. Ity nahandrontsika anio ity dia fomba iray afaka hikarakaranao ny trondro. Tsotra, mora ary tena matsiro tokoa. Fanamarihana kely, raha vao manomboka ny fandrahoana azy ianao dia tsy asiana rano mihitsy fa aoka ny ranon-tsasany ihany no ampiasaina. Rehefa ritra tanteraka […]