Monthly Archives: December 2015

HENAN-KISOA SY PETIT POIS

Ny sakafontsika androany dia henan-kisoa sy petit pois. Rehefa manadio ny henan-kisoa ianao dia kikiso tsara ny sisiny indrindra ambanin’ny taviny fa indraindray mantsy mbola misy volony amin’iny. Ny fatrany kosa dia azo atao hena 500g miaraka amin’ny petit pois 2 kapoaka. Tsy ho lava resaka isika fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary e! […]

RAVITOTO SY VOANJO

Tonga soa indray eto amin’ny Sakafo Malagasy! Efa maro tokoa no niandry ny anaovana ravitoto koa dia inty ary. Raha to aka mbola tsy voatoto ny raviny azonao, dia azonao atao ny mitoto azy amin’ny fitotoan-kena , na amin’ny Mixeur. Indraindray diso antitra loatra ny raviny azonao ary tsy laitran’ny fitotoan-kena. Mba hanampy anao amin’ny […]

Fanamboarana saosisy

Betsaka tokoa ireo olona te ahafantatra ny fomba fanaovana ireny saosisy ireny. Tsy vitsy no mihevitra fa sarotra dia sarotra no manatontosa azy kanefa anisan’ny sakafo faran’izay mora atao ary vitanao ao an-tranonao izy ity. Raha manaraka ny horonantsary ianao dia ahita fa hena mbola tsy voatoto no ampiasainay eto. Afaka mifidy toton-kena avy hatrany […]

Hen’omby ritra

Hen’omby ritra indray no sakafo manaraka ataontsika. Anisan’ny sakafo faran’izay mafilotra mihitsy izy ity ary mora atao. Araho ary ny horonan-tsary ary tadidio fa ny ranon-tsasany hatrany foana no ritina izay vao manampy ny saosy sy ny menaka. Mazotoa homana ary! Neny https://www.youtube.com/watch?v=mlURrDP4Jlc

Nem

Marina tokoa fa sakafo avy any Vietnam ny nem, mbola anisan’ny sakafo ankafizin’ny Malagasy izy ary tsy vitsy no mihevitra fa tena sakafo Malagasy tokoa izy ireny. Teo ihany koa moa ny nangataka ny mba anatontosaina horon-tsary mirakitra ny fanaovana Nem, ka izay indrindra no antony nanaovana ity farany ity. Afaka arahinao amin’ny antsipirihany ny […]