Kirepy

Inona no atao mba ahatonga ny kirepinao ho tonga lafatra?

Efa maro ireo nanontany hoe ahoana no atao raha toa ka mba te ahavita kirepy tsara. Izany hoe tsy simba ny endriny ary mora avadika no tsy be menaka.
Efa nandramako mihitsy ity fomba ity ka inoako fa izay anaraka azy dia ahita voka-tsoa avy aminy tokoa. Raha vao anao kirepy ianao dia ny lafarinina sy ny siramamy arotsaka voalohany. Afangaroy tsara ary avy eo dia ampio atody. Izay vao ampiana rano tsikelikely. Rehefa miaro tsara izay rehetra izay dia asio menaka kely mba ampitambatra ary hafanao tsara ny lapoaly.

Rehefa manendy azy amin’izay ianao dia lapoaly tefal ampiasaina ary asio menaka kely raha vao manomboka ary tsy ampiana intsony mandra-pahavita ny fanendasana azy rehetra.

Izay indray ary aloha ny androany e!

kirepy