Tag Archives: Sakafo gasy

HENAN-KISOA SY PETIT POIS

Ny sakafontsika androany dia henan-kisoa sy petit pois. Rehefa manadio ny henan-kisoa ianao dia kikiso tsara ny sisiny indrindra ambanin’ny taviny fa indraindray mantsy mbola misy volony amin’iny. Ny fatrany kosa dia azo atao hena 500g miaraka amin’ny petit pois 2 kapoaka. Tsy ho lava resaka isika fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary e! […]

RAVITOTO SY VOANJO

Tonga soa indray eto amin’ny Sakafo Malagasy! Efa maro tokoa no niandry ny anaovana ravitoto koa dia inty ary. Raha to aka mbola tsy voatoto ny raviny azonao, dia azonao atao ny mitoto azy amin’ny fitotoan-kena , na amin’ny Mixeur. Indraindray diso antitra loatra ny raviny azonao ary tsy laitran’ny fitotoan-kena. Mba hanampy anao amin’ny […]

Mofo baolina

Ny sakafo ataontsika manaraka indray dia mofo baolina. Tsotra dia tsotra tokoa no fanamboarana azy ity. Ny fanala-hidiny mba ampipasapasaka ny mofonao dia ny fotoana ametrahanao azy sy andomanao azy. Ny tsara dia avela hipetraka mandritra ny alina iray ny patinao. Mety ihany koa raha avelanao miandry mandritra ny 15minitra ilay izy fa vao maika […]

Fanaingona sakafo

Salama daholo e! Betsaka ireo nanontany hoe ahoana no fomba anaingona ny sakafo izay karakaraina. Mba ampisokatra ny vavony sy ahafaly maso, tsotra dia tsotra no tokony ataontsika. Raha tiana anome endrika tsara sady manintona ny sakafo karakarainao dia ny loko no atao maromaro. Ny loko tsy azo adinoina dia ny maintso sy mena. Ny […]