Tag Archives: Sakafo Malagasy

HENAN-KISOA SY PETIT POIS

Ny sakafontsika androany dia henan-kisoa sy petit pois. Rehefa manadio ny henan-kisoa ianao dia kikiso tsara ny sisiny indrindra ambanin’ny taviny fa indraindray mantsy mbola misy volony amin’iny. Ny fatrany kosa dia azo atao hena 500g miaraka amin’ny petit pois 2 kapoaka. Tsy ho lava resaka isika fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary e! […]

RAVITOTO SY VOANJO

Tonga soa indray eto amin’ny Sakafo Malagasy! Efa maro tokoa no niandry ny anaovana ravitoto koa dia inty ary. Raha to aka mbola tsy voatoto ny raviny azonao, dia azonao atao ny mitoto azy amin’ny fitotoan-kena , na amin’ny Mixeur. Indraindray diso antitra loatra ny raviny azonao ary tsy laitran’ny fitotoan-kena. Mba hanampy anao amin’ny […]

Fanamboarana saosisy

Betsaka tokoa ireo olona te ahafantatra ny fomba fanaovana ireny saosisy ireny. Tsy vitsy no mihevitra fa sarotra dia sarotra no manatontosa azy kanefa anisan’ny sakafo faran’izay mora atao ary vitanao ao an-tranonao izy ity. Raha manaraka ny horonantsary ianao dia ahita fa hena mbola tsy voatoto no ampiasainay eto. Afaka mifidy toton-kena avy hatrany […]

Vary amin’anana, tsiro gasy , mafilotra.

Vary amin`ny anana. Sakafo Malagasy vokarin`i Neny. Sakafo malagasy tsotsotra mety amin`ny rehetra.

Vary amin’anana Ny sakafo atolotra antsika amin’ity herinandro ity dia vary amin’anana. Azontsika atao sakafo maraina ary azo atao sakafo hariva ihany koa ny vary amin’anana. Raha tianao ho fantarina ny fomba fandrahoana azy dia afaka jerenao avy hatrany ity horon-tsary ity. Misy toro-marika vitsivitsy ireto amin’ny fomba fisafidianana ny anana. 1) Raha toa ka […]

Trondro sauce

Trondo sauce

Anisan’ny sakafo mampiavaka antsika Malagasy ny trondro ary manana karazany maro amin’izy io isika. Ity nahandrontsika anio ity dia fomba iray afaka hikarakaranao ny trondro. Tsotra, mora ary tena matsiro tokoa. Fanamarihana kely, raha vao manomboka ny fandrahoana azy ianao dia tsy asiana rano mihitsy fa aoka ny ranon-tsasany ihany no ampiasaina. Rehefa ritra tanteraka […]

Crevette sauce

Faly miarahaba antsika indray, Ny sakafontsika manaraka dia crevette sauce. Ny zavatra ilaina amin’izany moa dia crevette, tongolo, tongolo gasy, sakamalaho, sakay be, voatabia. Hanome filotra vaovao azy dia afaka asiana cari kely ilay izy ary ezahana atao mendimendy tsara ny tongolo. Tsy hiteny betsaka ary aho fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary. Mandra-piresaka […]

Steak salad

Raha te hanaingo ny steak-nao ianao dia afaka atao toy izao. Ampiaraho amin’ny ovy endasina sy salady ravina ary voatabia dia hitanao fa tena manome endrika mahafinaritra toy izao ilay izy. Aza adino ary ny manandrana ary afaka alefanao sary aty aminay ny zavatra vitanao. Raha misy fanontaniana ihany  koa dia aza misalasala mandefa izany. […]

Fanaingona sakafo

Salama daholo e! Betsaka ireo nanontany hoe ahoana no fomba anaingona ny sakafo izay karakaraina. Mba ampisokatra ny vavony sy ahafaly maso, tsotra dia tsotra no tokony ataontsika. Raha tiana anome endrika tsara sady manintona ny sakafo karakarainao dia ny loko no atao maromaro. Ny loko tsy azo adinoina dia ny maintso sy mena. Ny […]