Tag Archives: Sakafo Neny

HENAN-KISOA SY PETIT POIS

Ny sakafontsika androany dia henan-kisoa sy petit pois. Rehefa manadio ny henan-kisoa ianao dia kikiso tsara ny sisiny indrindra ambanin’ny taviny fa indraindray mantsy mbola misy volony amin’iny. Ny fatrany kosa dia azo atao hena 500g miaraka amin’ny petit pois 2 kapoaka. Tsy ho lava resaka isika fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary e! […]

Fanamboarana saosisy

Betsaka tokoa ireo olona te ahafantatra ny fomba fanaovana ireny saosisy ireny. Tsy vitsy no mihevitra fa sarotra dia sarotra no manatontosa azy kanefa anisan’ny sakafo faran’izay mora atao ary vitanao ao an-tranonao izy ity. Raha manaraka ny horonantsary ianao dia ahita fa hena mbola tsy voatoto no ampiasainay eto. Afaka mifidy toton-kena avy hatrany […]

Vary amin’anana, tsiro gasy , mafilotra.

Vary amin`ny anana. Sakafo Malagasy vokarin`i Neny. Sakafo malagasy tsotsotra mety amin`ny rehetra.

Vary amin’anana Ny sakafo atolotra antsika amin’ity herinandro ity dia vary amin’anana. Azontsika atao sakafo maraina ary azo atao sakafo hariva ihany koa ny vary amin’anana. Raha tianao ho fantarina ny fomba fandrahoana azy dia afaka jerenao avy hatrany ity horon-tsary ity. Misy toro-marika vitsivitsy ireto amin’ny fomba fisafidianana ny anana. 1) Raha toa ka […]

Fanaingona sakafo

Salama daholo e! Betsaka ireo nanontany hoe ahoana no fomba anaingona ny sakafo izay karakaraina. Mba ampisokatra ny vavony sy ahafaly maso, tsotra dia tsotra no tokony ataontsika. Raha tiana anome endrika tsara sady manintona ny sakafo karakarainao dia ny loko no atao maromaro. Ny loko tsy azo adinoina dia ny maintso sy mena. Ny […]