Tag Archives: Sakafo

HENAN-KISOA SY PETIT POIS

Ny sakafontsika androany dia henan-kisoa sy petit pois. Rehefa manadio ny henan-kisoa ianao dia kikiso tsara ny sisiny indrindra ambanin’ny taviny fa indraindray mantsy mbola misy volony amin’iny. Ny fatrany kosa dia azo atao hena 500g miaraka amin’ny petit pois 2 kapoaka. Tsy ho lava resaka isika fa avy hatrany dia jereo ny horonan-tsary e! […]

Fanamboarana saosisy

Betsaka tokoa ireo olona te ahafantatra ny fomba fanaovana ireny saosisy ireny. Tsy vitsy no mihevitra fa sarotra dia sarotra no manatontosa azy kanefa anisan’ny sakafo faran’izay mora atao ary vitanao ao an-tranonao izy ity. Raha manaraka ny horonantsary ianao dia ahita fa hena mbola tsy voatoto no ampiasainay eto. Afaka mifidy toton-kena avy hatrany […]

Vary amin’anana, tsiro gasy , mafilotra.

Vary amin`ny anana. Sakafo Malagasy vokarin`i Neny. Sakafo malagasy tsotsotra mety amin`ny rehetra.

Vary amin’anana Ny sakafo atolotra antsika amin’ity herinandro ity dia vary amin’anana. Azontsika atao sakafo maraina ary azo atao sakafo hariva ihany koa ny vary amin’anana. Raha tianao ho fantarina ny fomba fandrahoana azy dia afaka jerenao avy hatrany ity horon-tsary ity. Misy toro-marika vitsivitsy ireto amin’ny fomba fisafidianana ny anana. 1) Raha toa ka […]

Mofo baolina

Ny sakafo ataontsika manaraka indray dia mofo baolina. Tsotra dia tsotra tokoa no fanamboarana azy ity. Ny fanala-hidiny mba ampipasapasaka ny mofonao dia ny fotoana ametrahanao azy sy andomanao azy. Ny tsara dia avela hipetraka mandritra ny alina iray ny patinao. Mety ihany koa raha avelanao miandry mandritra ny 15minitra ilay izy fa vao maika […]

Trondro sauce

Trondo sauce

Anisan’ny sakafo mampiavaka antsika Malagasy ny trondro ary manana karazany maro amin’izy io isika. Ity nahandrontsika anio ity dia fomba iray afaka hikarakaranao ny trondro. Tsotra, mora ary tena matsiro tokoa. Fanamarihana kely, raha vao manomboka ny fandrahoana azy ianao dia tsy asiana rano mihitsy fa aoka ny ranon-tsasany ihany no ampiasaina. Rehefa ritra tanteraka […]

Steak salad

Raha te hanaingo ny steak-nao ianao dia afaka atao toy izao. Ampiaraho amin’ny ovy endasina sy salady ravina ary voatabia dia hitanao fa tena manome endrika mahafinaritra toy izao ilay izy. Aza adino ary ny manandrana ary afaka alefanao sary aty aminay ny zavatra vitanao. Raha misy fanontaniana ihany  koa dia aza misalasala mandefa izany. […]